Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

1 Ampahatsiaroviko anareo, ry rahalahy, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo,

2 ary hahazoanareo famonjena, raha tànanareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana hianareo. 3 Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika ny Kristy, araka ny Soratra Masina; 4 dia nalevina izy, sy nitsangana tamin'ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Sefasy, vao tamin'ny roa ambin'ny folo. 6 Manaraka izany dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan'ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. 7 Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakoba izy, vao tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0879